- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN 1- RN 4 : Bandy 50 nitondra basy nandroba 4X4

RN 1- RN 4 : Bandy 50 nitondra basy nandroba 4X4

Nisehoana fanakanan-dalana tamin’ny lalam-pirenena voalohany tamin’ny faha-21 jona teo. Bandy miisa hatrany amin’ny 50 nitondra basy no nandroba fiara 4X4 iray. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Bongan’i Lemanja kaominina Fierenana any Bongolava no niseho ny fanafihana. Tsy afaka nandingana ireo olon-dratsy ity fiara ity. Rehefa tafajanona dia nalain’ireo mpandroba avokoa ny vola rehetra tamin’ireo olona efatra tao anatin’ilay fiara niampy ny finday. Raha vao azon-dry zalahy ireo zavatra rehetra ireo dia lasa nandeha ry zalahy. Efa mandeha ny fanadihadiana ka ny zandary miasa ao amin’ny PA Mahatsinjo no misahana an’izany.

Ambohidratrimo. Fa mbola nisehoana fanakanan-dala ihany koe tamin’ny lalam-pirenena faha-4 ny 22 jona tokony ho tamin’ny 4 ora sy 45 minitra. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Miadapaonina kaominina Antehiroka no nisy izany. Sinoa handeha hody niaraka tamin’ny mpamily azy  nosakanana bandy efatra tsy lavitra ny toerana nisy nilaza fa misy ireny “casseur de vitesse” ireny ary efa akain’ny tranony.  Somary nandeha mora ilay fiara ka tamin’izany no nararaotin’ireo jiolahy nandrahonana ny mpamily sy nitakiany ny vola. Novakiany ny fitaratra avy aoriana. Ny vaovao no nahalalana fa nobahan’ireo mpangalatra moto ny arabe. Lasatamin’izany ny vola 24 tapitrisa ariary. Rehefa azony izany, niala ny toerana ry zalahy ka ny telo nandeha moto fa ny iray nandehan an-tongotra. Ity farany ity nenjehan’ny olona ka tsy lasa lavitra dia voasambotra. Rehefa nosavaina dia nahitana basy iray PA Colt Cal 7,65 mm sy fahana misy bala enina. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa nihazo ny lalana ho any Soavimasoandro ireo nandeha moto ary ny tena angano, afaka nitsoka koa ilay voasambotra. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana, voalazan’ny vaovao fa nandeha miadana ilay mpamily ary tsy nisy “casseur de vitesse” akory teo amin’ilay toerana nisehoan’ny fandrobana. Efa tazonina any amin’ny mpitandro filaminana izy amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici