- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversRN 7-Ambositra : Taksiborosy 5 indray notafihan’ny dahalo, lasa ny vola an-tapitrisa

RN 7-Ambositra : Taksiborosy 5 indray notafihan’ny dahalo, lasa ny vola an-tapitrisa

Fiara fitateram-bahoaka zotra nasionaly miisa dimy no indray norobaina dahalo mitam-basy sy zava-naranitra, ny alin’ny sabotsy teo, tany Ambatofitorahana Ambositra, amin’ny RN7 iny, ka lasan’ny jiolahy mpanakan-dàlana tamin’izany ny lelavola an-tapitrisany maro. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity fanafihana indray mitoraka ity, fa mpandeha am-polony no naratra mafy. Raha ny loharanom-baovao voaray dia ahiana ho nisy firaisana tsikombakomba nataon’ ny mpamily sasany tamin’ ireo dahalo, satria tsy nanaiky narahin’ny zandary ny fiara nentin’izy ireo. Vao nigadona teo amin’ny Fasan’ny karana ireo mpamilin’ny fiara voatafika, ny alahady teo, tonga dia nosamborin’ny mpitandro filaminana nanaovana fanadihadiana. Mitaky ny hamotsorana azy ireo ireo namany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici