Namoizan’olona ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny harivan’ny alahady teo. Teo Katsaoka no nitranga ny loza rehefa nifatratra tany amin’ny taxi-be ny moto iray ka nahafaty ny mpanamory izany teo noho eo ihany rehefa nidona tamin’ny « rétroviseur » ny lohany. Tsy izay ihany fa mbola nisy moto hafa koa tamin’io tranga io ihany izay mbola tafiditra tao ambanin’ilay taxi-be koa. Io indray dia maty tsy tsa-drano ny mpitondra ny moto raha nipitika kosa ny fen’ilay olon-tiany izay nentiny tao aoriana. Tsy tàna koa ny ain’ilay vehivavy na noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana aza. Tsy nijanona teo ny zava-nisy fa mbola nisy moto fanintelony koa kodiaran-droa izay nanao taingin-telo koa izay mbola nidona tamin’ilay fiara. Naratra mafy ny olona iray tamin’ireo. Raha atotaly izany dia olona telo no maty tao anatin’ny fotoana fohy monja. Samy nanana ny fanazavany ny teny an-toerana. Raha ny filazan’ny mpamily ilay taxi-be mampitohy an’Imerintsiatosina dia nisongona fiara ka tsy afaka ireo kodiaran-droa ary lasa nifatratra tamin’ny fiara nandeha tetsy ankilany ary io nitera-doza io. Nisy koa anefa ny nanambara fa mety ho nisy olana io taxi-be io ka nifatratra tany amin’ireo moto nandeha teo ankilany. Nandeha ny feo fa vaky ny kodiarana. Mazava hoazy fa ny fanadihadiana izay nosokafan’ny zandary no hamaritra ny mahakasika izany rehetra izany. Ny tsikaritra omaly dia tena nampisafoaka sy nampivarahotsana ny tambajotra sosialy ity tranga nahafaty mpandeha moto maromaro ity. Etsy ankilan’izay, tamin’iny andro nitrangan’ny loza iny dia nisy ny fifaninanana hazakazaka kodiaran-droa haingam-pandeha tetsy Imerintsiatosika. Samy nahatsikaritra ny maro fa isaky ny misy izany, indrindra rehefa vita ny hetsika, dia misary adala mandeha mafy ny ankamaroan’ny mpandeha moto avy nijery izany ary matetika mitera-doza. Misy lesona azo tsoahina izany ary azo handraisana fepetra mba ho fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany.
D.R