- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversRN1 : Sprinter nitondra mpianatra latsaka tany an-kady, 3 no maty

RN1 : Sprinter nitondra mpianatra latsaka tany an-kady, 3 no maty

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho omaly teny amin’iny lalampirenena voalhany iny omaly hariva. Sprinter iray nitondra mpianatra avy nitsangatsangana tany Ampefy no nivarina tany anaty hady teo amin’ny toerana antsoina hoe Sampanana Ambatofolaka. Vokany, ankizy iray sy olon-dehibe miisa roa no voalaza fa maty teo noho eo.Nisy ihany koa ireo naratra izay nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana haingana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia mpianatra ao avy ao Ampitatafika ireto niharan-doza ireto. Hatreto aloha dia mbola tsy dia fantatra marina ny tena nihavian’ny loza fa rah any filazan’ny olona izay nanatri-maso dia vokatry ny fisongonana tsy voafehy. Nisy fiara Starex nisongona ilay Sprinter nitondra ireto ankizy ireto. Tsy afaka anefa izy ka namantana tampoka ary nandona ilay Sprinter. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy dia nivarina tany anaty hady tamin’ny ilany havanan-dalana ity farany. Potika tanteraka ilay fiara niharam-boina satria somary lalin-dalina ihany ilay hady nianjerany. Omaly ihany moa dia efa niely tao amin’ny tambanjotran-tserasera ity vaovao ratsy ity ka nanaitra ireo mponina ao amin’ny kaominina Ampitatafika rehetra. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana izay tarihin’ny kaomandin’ny borigady ao Miarinarivo. Andrasana noho izany ny mety ho fivoaran’ny raharaha.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici