Vokatry ny fandehanana mafy avokoa ! Fiara mpitatitra roa, ny iray handeha hiakandrefana ary ny iray hiakatra aty an-drenivohitra, no nifandona, dimy kilaometatra tsy hiditra ny tanànan’i Miarinarivo, ny sabotsy maraina lasa teo. Mafimafy ihany ny fahavoazana ary nisy ny aina nafoy.
Iaraha-mahalala tokoa fa anisan’ireo lalam-pirenena mbola tsara sy malalaka raha iny lalam-pirenena voalohany iny. Na izany na tsy izany anefa, maro amin’ireo mpampiasa lalana ihany koa no mahafantatra fa lalana mora ahitan-doza iny lalana iny, satria dia be fiolahana, fiakarana sy fidinana tampoka. Indrindra moa fa miala kely eo Arivonimamo, hiditra an’i Miarinarivo ary tonga hatrany Analavory. Tamin’ny iray tamin’ireo lalana mampidi-doza ireo mihitsy no niseho ity loza mahatsiravina, nitranga ny sabotsy vao maraina lasa teo.
Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any, teo amin’ny PK 93+150, toerana antsoina hoe Amboalefoka, kaominina Miarinarivo. Fiara mpitatitra anankiroa, samy amin’ny kaoperativa mampiasa iny lalana miankandrefana iny avokoa no nifandona teo amin’izany toerana izany.
Mafy dia mafy tokoa ny dona satria dia samy nipitika nivoaka ny arabe avokoa ireo fiara anankiroa ireo. Nahatsiravina ny feom-by, nifandona sy nikaraoka tamin’ny arabe. Narahin’ireo kiakiak’ireo mpandeha tao anatin’izany, izay nanaitra ireo mponina teo amin’ny manodidina tamin’ny torimasony. Nandriaka ny rà. « Nampivarahontsana ny nahita ny iray tamin’ireo namoy ainy, satria dia potika tanteraka ny faritry ny lohany iny », hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso iray. Marihina fa nisy roa ireo maty tsy tra-drano vokatr’izay loza izay. Nahatratra tany amin’ny 26 kosa ny isan’ireo mpandeha, na avy tao amin’ilay fiara ankilany na tao amin’ilay andaniny, naratra mafy. Tamin’io fotoana io ihany moa dia samy niara-nientana, na ireo mponina na ireo zandary tany an-toerana namonjy ireto naratra ireto sy nitondra azy ireo tany amin’ny hôpitaly. Nentina nihazo ny tranom-paty tany an-toerana kosa ireo olona namoy ny ainy.
Mazava ho azy, raha ny zava-nisy dia tsy azo iadian-kevitra fa tena nandeha mafy tokoa ireto fiara ireto tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io, hoy ny fampitam-baovao azo. Ny tsy fantatra fotsiny hatreto dia ny antony tena nahatonga ny loza ka tsy nahafahan’ireo mpamily nifehy intsony ny fiarany. Olana teo amin’ny lafiny ara-teknika ve, ka tsy nahafahan’ny iray nanaja ny anjara lalany, sa olana avy amin’ny mpamily ? Ny fanadihadiana, izay iandraiketan’ireo zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Miarinarivo moa, no hany tokona hahafantarana izany ary efa nisokatra tamin’io fotoana io ihany izany.
m.L