Vokatry ny hafainganam-pandeha mafy loatra hatrany, aina iray indray no nafoy tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny omaly. Taxi-brousse iray handeha hiankandrefana no nifandona tamina sarety, ary niaraka nivadibadika nony avy eo. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpandroaka sarety, mpandeha telo tao anatin’ilay taxi-brousse kosa no naratra mafy vokatr’ity loza ity. Omaly vao maraina no nitrangan’izany teo amin’ny tanàna antsoina hoe Anosiarivo, Arivonimamo. Araka ny fanazavàna azo dia nandeha mafy tokoa ity fiara mpitatitra ity. Sendra nisy an’io saretin’omby io teo alohany ka niomana ny hisongona izany izy. Tsy fantatra anefa teo izay nitranga fa tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana, teo am-pisongonana ary dia nifatratra tany amin’ity farany ilay fiara. Tafavoaka ny lalana ireto sarety sy fiara nifandona ireto ary niara-nivadibadika. Potika tsy nisy noraisina ilay sarety, tapaka ilay omby nitarika izany, ary maty tsy tra-drano ilay mpandroaka, izay tsy nisy azo natao intsony. Nisy tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara mpitatitra no naratra mafy tokoa ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana. Efa tonga teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana rehetra. Amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao tokoa no tokony ho mailo tanteraka ny rehetra amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana. Tokony hisy mihitsy ny fepetra manokana horaisin’ireo mpitandro filaminana manoloana ireo hadalana marobe ataon’ireo sasantsasany amin’ireo mpitatitra izay maika hanenjika vola fotsiny, ka ny ain’ny mpandeha no atao tsinontsinona.
m.L