- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversRN12 : Kamiao nitondra miaramila nivadika, efatra maty, 28 naratra mafy

RN12 : Kamiao nitondra miaramila nivadika, efatra maty, 28 naratra mafy

36 kilaometatra tsy hiditra an’i Manakara, omaly tokony ho tamin’ny mitataovononana tany ho any, niharan-doza ny fiaraben’ny Bngrc, nitondra miaramila maromaro avy namboly hazo. Vokany olona efatra no namoy ny ainy ary am-polony maro no naratra mafy.

Samy nanana ny fomba nankalazany ny fetin’ny asa avokoa omaly ny sampan-draharaha rehetra. Ny an’ireto miaramila tao Manakara dia nisafidy manokana ny hamboly hazo izy ireo, tany amin’ny toerana iray 56 kilaometatra miala an’i Manakara. Teny an-dalana hody izy ireo no nitranga ny loza, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary tany an-toerana. Tokony ho 36 km monja tsy hiditra ny tananan’i Manakara, teo amin’ny toerana antsoina hoe Mijilo, no nivadika ny fiaraben’ny Bngrc, nitondra azy ireo. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia niala ny lalana ilay fiarabe ary nivadika nony avy eo. Angom-baovao hafa tany an-toerana hatrany moa no nahafantarana fa toa hoe niala bisikleta iray teny an-dalana izy ireo no tsy voatana intsony familiana ary dia io niafara tamin’ny fivadihana io. Nandriaka ny rà. Nisy telo amin’ireo miaramila, raha ny fampitam-baovao hatrany, no namoy ny ainy teo no ho eo. Saika naratra mafy daholo kosa ireo hafa. 29 no isan’izy ireo araka ny fanazavàna azo. Ny iray tamin’ireto naratra mafy ireto kosa no tsy tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana intsony fa namoy ny ainy teny an-dalana. Nahatratra efatra araka izany ireo namoy ny ainy tamin’ity loza ity, ary 28 no naratra mafy. Raha ny vaovao azo dia ny mpamilin’ilay fiarabe irery ihany no sivily fa ireo sisa hafa dia saika mpitandro filaminana avokoa. Samy nentina nihazo ny hôpitaliben’i Manakara avokoa, na ireo naratra izay efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy na ireo namoy ny ainy, izay nalefa avy hatrany tany amin’ny tranom-paty. Fantatra kosa fa nisy olona enina, izay tena atahorana mafy no nentina niakatra avy hatrany nihazo an’i Fianarantsoa, raha ny vaovao voaray hatrany. Satria nisy olona namoy ny ainy, dia efa nandray an-tanana ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici