Nitatitra Ankoay, tsy ny ekipam-pirenena amin’ny basikety akory fa kosa ireny karazam-boromahery ireny. Niisa dimy no sarona tao anatin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray rehefa nosavaina teo amin’ny barazin’ny ekipan’ny minisiteran’ny tontolo iainana teo anelanelan’i Marozevo sy Moramanga. Nisy polisy nitam-basy tao anatin’ny fiara ary mazava ho azy fa io no mety ho nanaromana ny fitaterana, izay mety tsy ho ara-dalàna. “Tsy nanakana ny fisavàna anefa izany ary avy hatrany dia natao famotorana sy hoentina eny amin’ny fitsaràna ny raharha, satria tsy hamindràna fo ny fanararaotana ny harem-pirenena”, raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisitera. “Ny Ankoay na ‘Haliaetus vociferoïdes’ dia tafiditra ao anatin’ny biby arovana, araka ny didy hitsivolana laharana faha 2006-400 ka tsy azo hazaina sy ompiana ary indrindra tsy azo aondrana any ivelany”, raha araka ny fampahatsiahiavan’ny minisitera voakasika hatrany. Miisa dimy ary nafenina tao anaty entana toa ny saribao, izay nipetraka taorian’ny fiara “pick up”, ireo Ankoay. Ahiana mafy ho saika haondrana indray izy ireto. Andrasana ny fivoaran’ny fanadihadiana izay nandeha f’ran’izay haingana, momba ity heloka ara-tontolo iainana ity.
D.R