- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Fanakanan-dalana, taxi-brousse efatra voatora-bato

RN2 : Fanakanan-dalana, taxi-brousse efatra voatora-bato

Hatramin’izay dia ny lalam-pirenena fahafito sy fahefatra iny no nalaza tamin’ny fanakanan-dalana. Amin’izao fotoana izao anefa dia tongan’ireo olon-dratsy ihany koa ny lalam-pirenena faharoa iny. Ny alin’ny alahady teo fotsiny ohatra dia fiara taxi-brousse maromaro, handeha hihazo ny renivohitr’i Betsimisaraka sy ireo handeha hiakatra aty an-drenivohitra no lasibatry ny tora-bato. Mini-bus roa ary « sprinter » roa no voa mafy tamin’izany, teo amin’ny tanana antsoina hoe Menagisa. Fiara iray handeha hiakatra aty an-drenivohitra no nampandre ireo namany handeha hihazo ny faritra Atsinanana, ny amin’ny fisiana gony maromaro feno vato, eny am-povoan’arabe. Efa niharan’ny tora-bato tsy an-kijanona ity taxi-brousse handeha hiakatra ity, saingy soa ihany fa afa-niala tamin’ny vela-pandrik’ireo mpitoraka. Teo anatrehan’izany dia niezaka nanao lahara-manjohy ireo fiara hiantsinana. Nony tonga teo amin’ilay toerana dia nibahana teo amin’ny lalana tokoa ireo gony feno vato, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Samy niezaka niala an’io avokoa ny rehetra ary samy afaka soa aman-tsara daholo. Saingy nandritra izany dia nirarakompana ny tora-bato avy anaty akata rehetra any. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany. Tsy nisy ihany koa ny voaroba raha ny vaovao azo, saingy ireo fiara no samy nahitàna fahapotehana avokoa. Efa tsy vitsy tokoa ireo mpindrana an’iny lalana miatsinanana iny no mitaraina ny amin’ny afitsok’ireo mpanakan-dalana sy mpitoraka fiara eo amina tanana kely iray, manakaiky an’i Brickaville io, indrindra fa ireo mpandeha alina. Miantso ireo tompon’andraikitra araka izany mba hijery akaiky ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici