Lasa mitombo ny fahasorenana raha vao miditra an’Antananarivo ka mandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa. Misy ampahan-dàlana tsy misy telo kilaometatra akory ny elanelany kanefa feno barazin’ny mpitandro ny filaminana. Mifanandrify amin’ny hotely Krypton eo Ambohimalaza aloha dia efa misy barazin’ny zandary. Iny mba azo leferina ihany satria ao anatin’ny fari-piadidiany tanteraka. Tsy mandeha iray killaometatra eo, mifanandrify amin’ny fandanjàna fiara vaventy, mbola eo Ambohimalaza ihany, dia efa misy sakan’ny ATT (Agence des Transports Terrestres) indray. Vita indray iny, mandeha iray kilaometatra aorian’io dia misy barazin’ny polisy mandeha kodiaran-droa indray, mifanandrify amin’ny Jovenna Ampasimbe. Tsy vitan’izay ihany fa raha mbola tohizana ny dia ka mizotra amin’iny Bypass iny dia mbola misy ATT sy DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière) miverina indray eo amin’ny mifanandrify amin’i Behintsy. Sorena ary tena mahasorena satria isaky ny misy sakana eo amin’ny lalam-pirenena dia miteraka fitohanana izay. Iaraha-mahalala fa feno fiara vaventy mifamezivezy avy any na ho any Toamasina. Torak’izay koa ireo fiara mpitatitra vato sy fasika izay mibahana raha vao ajanona noho ny hakelezan’ny arabe eo amin’ny lalam-pirenena. Ny taratasim-piara hosavaina anefa dia mitovy ihany isaky ny misy barazy ary rehefa afaka tany amin’ny barazy sasany ny fiara dia tokony ekena izany fa madio ny taratasiny. Sa ve misy tsy fifampitokisana tanteraka eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena ? Sa ve miakatra any amin’ny lohan’izy ireo ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakàna fa hisy valisoa omena izay mahatratra fanondranana harem-pirenena hany ka dia lasa hatao savahao avokoa na ny olon-tsotra mandalo aza ? Na ny mponina monina eo amin’ny manodidina aza dia betsaka ny sorena satria lasa voasakana raha mivoaka ny trano ary torak’izany koa rehefa hody. Lasa maneritery ny fiainan’ny olona ny tranga toa izao ary mila mifampiresaka ny samy lehiben’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fandrindràna satria lasa manome endrika toy ireny any amin’ny tany miady ireny ny fisavàna isaky ny kilaometatra raha hiditra an’Antananarivo. Sady manafintohina ny olona izay efa maika lava amin’ny fiainana no mety hiteraka endrika kolikoly hafa indray…
D.R
Ka samy te hahazo kely aby e. Ny avy any @ RN 7 no tena mampalahelo koa. Papier vao avy nojeren’ny gendarme dia sakanan’ny polisy indray dia …dia… sshhh mitovy @io tenenin’io mpanao gazety io.