- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Misy mandroba ny kamiao rehefa mandalo lalan-dratsy

RN2 : Misy mandroba ny kamiao rehefa mandalo lalan-dratsy

Tsy mpanakan-dàlana akory fa ireo mpanararaotra ny lalan-dratsy mba hanatontosana halatra. Ireo kamiao lehibe izay mpitatitra entana ary mibaby « container » no tena matetika lasibatra. Tsy tsikaritry ny mpamily sy mpamily mpanampy mihitsy izany satria ao anaty maizina, ireo farany rahateo sahirana amin’ny fialàna lavaka ka tsy maintsy entina mora ny fiara. Eo no miditra an-tsehatra ny mpanao ratsy. Efa misy mpijapy sy miditra ao amin’ny fitoeran’entana ary efa misy mpitaty izay azo fotsiny koa. Matetika dia efa any amin’izay tany aleha na rehefa mijanona kely misakafo na maka aina izay vao tsikaritra ny fisian’ny very. « Tokony miparitaka kokoa ny mpitandro ny filaminana fa tsy mionona eny amin’ny barazy fisavàna taratasim-piara fotsiny ihany. Efa miverimberina mantsy ny fandrobana entana taterin’ny kamiao ary heverinay mpitatitra fa mba tokony hasiana mpanara-maso eny amin’ireo toerana ratsy làlana izay tsy maintsy handehanana faran’izay mora ka manamora ny fiakaran’ny mpangalatra », raha araka ny mpamily kamiao iray efa isan’ny efa voaroba entana. Nisy fotoana efa nanaovana hetsika manokana iny lalam-pirenena iny ary nifanenjehana hatrany ambanivohitra ireo moanao ratsy. Izao indray dia efa miverina ny fandrobana entana anaty kamiao ary mampitaraina ny mpitatitra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici