- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversRN2 : Semi-remorque 4 sy taxi-brousse 1 notafihan’ny mpanakan-dàlana -...

RN2 : Semi-remorque 4 sy taxi-brousse 1 notafihan’ny mpanakan-dàlana – Ar 9.200.000 no very

Manjaka ny tsy fandriampahalemena eto amintsika ankehitriny. Raha tamin’ny ity taona 2016 ity fotsiny,  dia hita sy re fa tsy mitsahatra manohy ny asa ratsiny ireo jiolahy amin’ny fanakanan-dàlana miampy fandrobana eny amin’ny lalam-pirenena eny. Fepetra maro no efa noraisin’ny manam-pahefana  hialana amin’izany  toy ny fiaingana amin’ny ora mitovy sy ny fitandaharan’ ny fiara rehefa amin’ny alina. Tsy nandaitra aloha teto izany, satria  nisehoana tranga roa vaovao indray omaly teny amin’ny lalam-pirenena faharoa tokony  ho tamin’ny 2 ora maraina. Semi-remorque 4  sy taxi-brousse  1 mampifandray ny renivohitra sy i Brickaville  no indray  lasibatra tao anatin’ny fotoana fohy teny amin’ny fokontany Ambodirano- Ambanintsena. Jiolahy enina  nirongo  antsy sy basy kilalao no nanakan-dalana azy ireo. Tonga teny an-toerana avy hatrany anefa ny zandary 5  avy ao Carion nijery ny zava-misy  tao aorinan’ny antso avy amin’ny tsara sitra-po. Ny taratasin’ny fiara sy ny an’ny mpamily sisa anefa no tratra teo amin’ny toerana nitrangan’ny  fanafihana raha ilay fiara mpitatitra voaroba mihitsy no nifanena tamin’izy ireo raha ho an’ilay faharoa. Itsy voalohany dia mbola tsy nahazoam- baovao, satria mbola eo an-dalam-pikarohana ny tompon’ny fiara ny zandary. Ilay takisiborosy kosa indray dia navilin’ireo jiolahy nankany Manakavaly 1 kilometatra miala ny RN2 izao nifanena tamin’ny zandary izao. Fantatra ary fa vola Ar 9.200.000 no very  niaraka tamina entana  tsy mbola voafaritra mazava. Tsy nisy olona azon’ny zandary  notanana  tamin’ity tranga ity, sakaosy iray misy akanjo sisa mantsy no hany tavela teo an-toerana nanakanan’ireto jiolahy. Tsy nisy ny naratra sy aina nafoy tamin’ireto fanafihana in-droa miantoana ireto. Araka ny fanampim-panazavana avy any amin’ny zandary ao Carion,  dia nanohy ny diany nianavaratra atsinanana ireo jiolahy taorinan’ny asa ratsiny. Fepetra manokana noraisin’ny mpitandro ny filaminana ny hanohizana ny fanarahan-dia izay  hiarahana  miandrakitra amin’ny Brigady sy ny zandarimaria manodidina.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici