- Publicité -
vendredi, octobre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Tapaka foana !

RN2 : Tapaka foana !

Natory an-dàlana indray ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa. Ny antony dia tapaka teo Marovoalavo ny làlana noho ny fisian’ny kamiao maty teo am-povoan’ny arabe. Vokatr’izany dia tsy afa-nihetsika intsony na ny nandroso na ny niverina. Ny vahaolana dia tsy nisy satria tsy voatosika mihitsy ilay kamiao maty « démarreur »,  raha araka ny fitantaran’ireo any an-toerana ka nampita ny zava-nitranga tamin’ny tambajotra sosialy. Isan’ny taraiky tao anatin’ny fitohanam-be koa ny fiara mpitatitra marary. Mazava araka izany fa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny olona ny fahatapahan’ny RN2 izay mampitohy an’Antananarivo amin’ny renivohitra ekonomika. Tsy voalohany rahateo izany no nitranga. Mendrika hametrahana « task force » izay afaka mihetsika avy hatrany mamaha olana raha vao misy tranga miseho eny amin’ny RN2.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici