- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Taxi-brousse nandona sy namono zazakely, nitsoaka

RN2 : Taxi-brousse nandona sy namono zazakely, nitsoaka

Fiara mpitatitra iray mampitohy an’i Moramanga sy Antananarivo no namoa-doza ny talata teo tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, tetsy Maharidaza, kaominina Nandihizana, distrika Manjakandriana. Raha ny vaovao azo dia nandona olona tamin’io faritra io ilay fiara ary nitsoaka fa tsy nijanona teo amin’ilay toerana nisian’ny loza akory. Tamin’io fotoana io anefa, raha ny fantatra dia aina iray no nafoy, vokatr’izay loza izay. Zazakely tsy manan-tsiny vao iray volana sy 22 andro monja.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary tamin’izany toerana izany ary tsy niandrasana ela dia efa niroso tamin’ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza, nitondra izany fiara izany. Omaly tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina no tra-tehaky ny zandary, teo amin’ny sakana teo Carion, ilay fiara sy ity mpamily ity, taorian’ny fikaroham-baovao nataon’izy ireo. Nosamborina teo no eo ary notanana avy hatrany natao andrimaso ilay mpamily, raha nampidirina ambalam-pamonjana kosa ilay fiara. Atolotra teo anivon’ny Fampanoavana avy hatrany moa ny raharaha aorian’ny famotorana rehetra atao aminy, hoy hatrany ny vaovao.

Mampahafantatra ireo mpitandro filaminana fa mampitombo lavitra eny ny fanenjehena sy ny sazy mihatra amin’ilay nahavanon-doza ny fitsoahana ny loza nataony. Ny tsara indrindra araka izany, rehefa misy ny lozam-pifamoivoizana mihatra, indrindra fa nisy olona voakasika na naratra io na namoy ny ainy dia ny mijanona na manatona avy hatrany ny mpitandro filaminana, akaiky indrindra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici