- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Voaroba ny fiara nitondra ny tarika Vaiavy Chila

RN2 : Voaroba ny fiara nitondra ny tarika Vaiavy Chila

« Maizina ny andro, ny lalana ratsy … natahotra tsy nisy sahy nivoaka izahay kanefa henonay tsara izy ireo mamaha ny tady sy mamaha labasy tao ambony fiara (…) Isaorana an’i Zagnahary hatrany fa vita ny zavatra natao tany ary tafaverina soa aman-tsara izahay. Tsy nisy naninona … » araka ny fitantaran’i Vaiavy Chila

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo lasibatry ny halatra teny ambony tafo, fanaon’ireo olon-dratsy eny amin’ny lalam-pirenena ny fiara nitondra ny « groupe Mahangoma», izay nisy an’i Vaiavy Chila, teo anelanelan’i Manjakandriana sy Mandraka. « Niaraka fiara « sprinter » izay nalefan’ny mpikarakara izaho sy ny mpandihy ary ny mpitendriko tamin’io fotoana io. Handeha hanao fampisehoana tany amin’iny faritra Mandraka iny. Efa alinalina ihany no niala teto an-drenivohitra » hoy izy. Mazava ho azy, tamin’izay fotoana izay, saika efa lasa avokoa ireo fiara mpitatitra manao « caravane » ary voalazan’ity mpanakanto ity fa somary nandeha irery izy ireo teny an-dalana. Tsy dia tsaroany loatra intsony ny toerana nitrangan’io fa ny tsapan’ny rehetra ny lalana ratsy dia ratsy ka tsy maintsy nandeha mora ny fiara, tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Tamin’izay fotoana izay no henon’izy ireo nisy niakatra tany ambony tafo, namaha ny tady nofatoran’ny entana sy nandrovitra ny labasy. Raha ny fitantaran’ity mpanakanto ity, samy natahotra tsy nisy nivoaka izy ireo. Ny mpamily rahateo ihany koa tsy nijanona fa natahotra sao misy fitaovam-piadiana any amin’ireo olon-dratsy. Niezaka niala ilay lalan-dratsy ireto farany ary tsy nijanona raha tsy efa nahita tanàna.

Raha ny fanazavana nomeny hatrany dia tao anaty fotoana fohy no nanaovan’ireo olon-dratsy izany kanefa entana maromaro ihany no lasan’ireto farany. Anisan’izany ny sakaosy misy ny fitafian’ireo mpandihy sy ny an’ity mpanakanto ity.

Efa nisy ny fametrahana fitairanana na « déposition » tao amin’ny lehiben’ny tobim-paritra Manjakandriana mahakasika ity tranga ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Ity farany izay tsy mino loatra ny fisian’io tranga io, raha ny nanontaniany tamin’ny alàlan’ny antso an-tariby omaly. « Mety ankevitry ny ratsy fatotra dia mety latsaka ireo entana ireo. Na izany na tsy izany dia efa nandray fepetra izahay ary nanokatra ny fanadihadiana sy nampandre ireo zandary amin’iny lalana iny ».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici