- Publicité SW45 -
mardi, avril 16, 2024
AccueilFaits-DiversRN3 : Fisamborana tao anaty taksiborosy

RN3 : Fisamborana tao anaty taksiborosy

Nanaitra ireo mpandeha tamin’iny lalam-preenena faha-3 (Rn3) mampitohy an’Anjozorobe sy Antananarivo iny no nahita ity zava-nitranga ny talata lasa teo. Tamin’ny ora tsy nampoizin’ny maro no nosakanan’ny zandary ny fiara mpitatira iray. Niaianga avy hatrany ny fisavana ka teo vao nahatsikaritra ny rehetra fa misy olona karohina io fiara io. Lehilahy iray no nosamborina avy hatrany rehefa avy nohadiadiana tsotsotra teo ny momba azy. Tsy iza io olona io fa araka ny vaovao azo avy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana avy ao Anjozorobe dia olona karohina noho ny resaka fisolokiana izay nataony tamin’olona iray nialoha ny nandraisany io taksiborosy io. Io andron’ny 6 jona tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro io tokoa dia vehivavy iray no tonga nametraka fitarainana tao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Ankazobe. Nilaza io vehivavy io fa nisy olona nisoloky azy ka lasan’ity farany ny vola 3 tapitrisa ariary izay tsy voafaritra mazava aloha hatreto ny tena zava-niseho mahakasika izay asaratsy izay. Nanamabara ity mpitory fa nandray fiara hiakatra aty Antananarivoilay olondratsy. Teo no eo dia niroso tamin’ny fitadiavana ity voalaza fa mpisoloky ny zandary ka niroso tamin’ny fisakanana ireo fiara rehetra hihazo an’Antananarivo. Natao ny sakana ka tamin’ny efatra hariva ihany dia tratra teo Anosivola ny fiara nitondra ity olona karohina. Rehefa nosavaina izy dia mbola nahitana vola 1 tapitrisa ariary tany aminy. Vola izay heverina fa ambin’ireo 3 tapitrisa voalaza fa lasany. Nosamborina avy hatrany ilay lehilahy mba hatao famotorana ary tsy maintsy hatolora ny fitsarana atsy ho atsy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici