Zandary mpiana-draharaha telo no naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity. Nivoaka ny làlana ary namantana tany amin’ny dongona ny fiaran’ny Emmo: izay nitondra zandary maromaro saika hanamafy ny naman’izy ireo tany amin’ny “poste avancé” Ambohidratrimo. Potika ihany koa ny lohan’ilay fiara tsy mataho-dàlana ary voatery notarihina nandeha tany Ambohidratrimo. Raha araka ny vaovao nampitaina taminay, dia efa afaka nody ny roa tamin’ireo zandary rehefa avy nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha tsiahivina dia vao afak’omaly ihany koa no nisy fiara nitondra mpitandro filaminana, ny marimarina kokoa, zandary avy nanome voninahitra lanonana manan-kaja no nidona tetsy Fort-Duschene, ka nandratra ny olony sy ny olona tao anatin’ny fiara nifandona taminy.
D.R