- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN3 : Nidona ny fiaran’ny Emmo, telo naratra

RN3 : Nidona ny fiaran’ny Emmo, telo naratra

Zandary mpiana-draharaha telo no naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity. Nivoaka ny làlana ary namantana tany amin’ny dongona ny fiaran’ny Emmo: izay nitondra zandary maromaro saika hanamafy ny naman’izy ireo tany amin’ny “poste avancé” Ambohidratrimo. Potika ihany koa ny lohan’ilay fiara tsy mataho-dàlana ary voatery notarihina nandeha tany Ambohidratrimo. Raha araka ny vaovao nampitaina taminay, dia efa afaka nody ny roa tamin’ireo zandary rehefa avy nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha tsiahivina dia vao afak’omaly ihany koa no nisy fiara nitondra mpitandro filaminana, ny marimarina kokoa, zandary avy nanome voninahitra lanonana manan-kaja no nidona tetsy Fort-Duschene, ka nandratra ny olony sy ny olona tao anatin’ny fiara nifandona taminy.

D.R

 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici