- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN3 : Taxi-brousse nahodin’ny andian-jiolahy avy nanafika

RN3 : Taxi-brousse nahodin’ny andian-jiolahy avy nanafika

Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika teo Antokonana, Ankazondandy, amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Rehefa avy nanafika ireto andian-jiolahy ireto dia nitsoaka niaraka tamina taxi-brousse iray teo an-toerana.

Isan’ny mampikaikaika ireo mponina any amin’iny faritra Avaratry ny renivohitra iny ny resaka tsy fandriampahelamana ; izay mahazo vahana tokoa amin’izao. Afak’omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo ho eo, dia tokantrano sy mpivarotra maromaro teo amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antokonana, ao amin’ny kaominina Ankazondandy no lasibatry ny andian-jiolahy. Nahatratra teo amin’ny 12 lahy teo ho eo ireo olon-dratsy ireo ; izay nirongo basy sy zava-maranitra isan-karazany. Tamin’io fotoana io moa, dia saika efa tapi-mandry avokoa ireo mponina ka nanararaotra izany ireto andian-jiolahy ireto. Vola mitentina eo amin’ny fito tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’izy ireo tamin’izany, niaraka tamin’ny entana sarobidy isan-karazany. Vao  nahavita ny asa ratsiny izy ireo dia nitsofoka tao amina taxi-brousse iray, niantsona teo amin’io toerana io. Ity farany izay mbola saika hangalarin’izy ireo sy hoentiny nandositra. Teo alohan’io fiara io anefa, nisy fiarabe iray nitondra hazo. Taitra tamin’io fanafihana miharo fangalarana fiara io ireo olona natory tao anatin’ilay fiarabe ka niezaka nibahana ny fitsoahan’ireto olon-dratsy, tamin’ny alàlan’ny fanipazana hazo teny amin’ny arabe. Nikoropaka noho izany ireo olon-dratsy nitondra ilay fiara ka nivoaka ny làlana ity farany ary latsaka tanaty tatatra amin’ny sisin-dàlana. Nivoaka avy tao indray ireto andian-jiolahy ireto ary nanohy ny diany, an-tongotra, nianavaratra nihazo ny kaominina Mangamila, araka ny tatitra azo. Nampandrenesina avy hatrany moa ny zandary misahana iny faritra iny ary efa eo an-dalam-pikarohana ireto jiolahy izy ireo. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andriampamaky kosa no misahana ny raharaha. Marihana, fa tsy nisy aina nafoy na  naratra tamin’ireo olona voatafika tamin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici