- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversRN34 : Raikitra indray ny fanakanan-dàlana

RN34 : Raikitra indray ny fanakanan-dàlana

Efa niverina nisokatra avokoa ireo lalam-pirenena rehetra nandritry ny herinandro vitsivitsy izay. Niverina torak’izay ihany koa ny lozam-pifamoivoizana, noho ny fahasimban’ny lalana etsy andaniny ary noho ny hadisoan’ireo mpamily diso mandeha mafy loatra ankilany. Fa ny loza dia niverina torak’izany ihany koa ny asa ratsy eny amin’ireo lalam-pirenena. Fanankanan-dàlana ataon’ireo jiolahy. Vao tsy ela akory izay, fiara mpitatitra iray mampitohy an’i Morondava no lasibatra teo Bevitsika, kaominina Anjomà Ramartinina, distrikan’i Mandoto. Lalana fidinana no sady maro fiolanana io toerana eo Bevitsika io, hany ka tsy maintsy mandeha mora ireo fiara. Ary tafajanona mihitsy aza moa, rehefa sendran’ny vato sy vatan-kazo nabahan’ireo olon-dratsy ny lalana. Tora-bato variraraka no nasetr’ireo olon-dratsy nony avy eo, nanimba tanteraka ny fitaratra alohan’ilay fiara. Soa ihany, voalaza fa nisy fiara nipoitra tampoka, ka tsy nahavita nanohy ny asa ratsiny ireto farany. Afaka soa aman-tsara teo amin’ilay sakana ity fiara mpitatitra ity sy ireo mpandeha tao anatiny. Efa nampandrenesina moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Anisan’ny mampikaikaika ny mpindrana iny lalam-pirenena faha-34 iny tokoa raha ity toerana antsoina hoe Bevitsika ity. Efa maro dia maro tokoa mantsy no efa lasibatra teo amin’io toerana io, ary nataon’ireo mpanakan-dàlana nahita faisana avokoa, na amin’ny andro antoandro izany na amin’ny andro alina. Ny hirarian’ireo mpampiasa lalana dia mba ny hametrahana tobin’ny mpitandro filaminana, toy ny natao eny Ambalamanakana, lalam-pirenena fahafito. Ity farany, izay toerana nalaza ratsy tokoa teo aloha teo amin’ny resaka fanankanan-dalana saingy efa niato ary tsy  nisy intsony taty aorian’ny nametrahana mpitandro filaminana raikitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici