- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversRN35 : Taxi-brousse voatifitra teny an-dalana

RN35 : Taxi-brousse voatifitra teny an-dalana

Ny alin’ny talata lasa teo dia fiara mpitatitra maromaro handeha hihazo an’i Morondava no lasibatry ny jiolahy. Raha ny fampitam-baovao azo dia teo amin’ny 10 kilaometatra tsy hiditra an’i Mahabo no nisian’ity fanafihana ity. Tifitra variraka no nataon’ireo jiolahy tamin’ireo tandahatra fiara mpitatitra. Nalaky nitsoaka haingana ireto farany ary nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy ny fitaratry ny fiara iray kosa no potika vokatry ny tifitra. Tsy nahomby ihany koa ny tetik’ireo olon-dratsy fa tonga haingana ara-potoana ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny. Nalaza tamin’ny fanakanan-dalana tokoa iny lalam-pirenena iray iny teo aloha teo, saingy niatoato izany tao ho ao, rehefa nisy ny fepetra manokana noraisin’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fisafoana ny lalam-pirenena sy ny fiambenana ireo fiara mpitatitra. Saingy izao dia toa miverina izao indray tamin’ity tranga ity. Fantatra moa fa efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici