Eo amin’ny kihon’ny lalam-pirenena no napetraky ny olon-dratsy ny vato natao ho sakan-dàlana. Teo amin’ny fokontany Tanimbary izay ifanenan’ny RN4 sy RN6. Sady tsy afaka arak’izany ny avy atsy no nikatso koa ny avy aroa. Ary teo indrindra no nanaraotan’ireo jiolahy nanafika. Fiara tsy mataho-dàlana iray avy any Mahajanga no lasibatr’izy ireo. Niezaka niala ny sakana izy no nisy poa-basy tampoka, nitifitra ireo olon-dratsy. Voa ny mpamily saingy mbola afaka ny nanohy ny diany. Teny an-dàlana anefa dia very hatrany ny rà. Noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy nony avy eo saingy tsy tàna intsony ny ainy. Niverina nihorohoro indray ny mpampiasa làlana manoloana ny zava-nitranga, indrindra ireo mpandeha amin’ny alina, toy ny fiara fitaterana. Feno mifamezivezy ny lalam-pirenena fahefatra amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao. Mazava fa hiasa ny mpitandro ny filaminana saingy kosa aleo misoroka ihany ary ny farahafahakeliny amin’izany dia ny fandehanana miaraka. Izany hoe mba mifanjohy ny fiara maromaro izay vao mihetsika. Isan’ny fepetra efa noraisina koa tany aloha tany ny fanasiana zandary mandeha amin’ny fiara sasantsasany mialoha lalana ny “caravane”. Mila haverina avokoa izany mba hiverenan’ny fandriampahalemana amin’ny lalam-pirenena.
D.R




