- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversRN4 : Kamiao niharan-doza, olona iray maty, sivy naratra

RN4 : Kamiao niharan-doza, olona iray maty, sivy naratra

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny voalohan’ny herinandro teo. Fiarabe iray no niharan-doza. Vokany nisy olona iray maty teo  noho eo, ary manodidina ny olona sivy tany ho any kosa ireo naratra mafy. Araka ny fampitam-baovao azo dia teo Ankorefo, tanana tokony ho 30 kilaometatra miala ny tampon-tananan’i Mahajanga no nitrangan’ny loza, rehefa niala sarety teny an-dalana ilay fiara. Voalaza moa teo fa somary nandeha mafy ihany ity farany ary tsy tafaverin’ny mpamily intsony ny familiana rehefa tafala io sarety io ary dia nifatratra tany an-tanimbary ilay fiara. Niala avy tao an-drenivohitr’i Boina ity fiarabe ity ary handeha hamonjy tsena any Bekobay. Araka izany, dia saika mpivarotra avokoa ny ankamaroan’ireo olona niharan-doza tao anatin’ity kamiao ity. Ny iray tamin’izy ireo aza dia maty tsy tra-drano rehefa voatsindrin’ny entana tao. Ny hafa kosa, tao ireo tapa-tanana, tapa-tongotra, toro loha sy ny maro hafa. Nahatratra  sivy tany ho any ny isan’ireo naratra mafy tao anatin’izany. Efa samy nentina nihazo an’i Mahajanga avokoa moa ireo naratra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Torak’izany ihany koa ny amin’ilay namoy ny ainy, izay rehefa avy nanaovana fitiliana, dia efa nomena ny fianakaviana, raha ny fampitam-baovao azo. Tonga teny an-toerana ihany koa moa ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity.

Nangonin’ i m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici