- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Kamiao voaroba, olona roa naratra mafy

RN4 : Kamiao voaroba, olona roa naratra mafy

Vola mitentina teo amin’ny 70 tapitrisa Ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ny zavatra sarobidy sy finday.

Nitrangana fanakanan-dalana tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe « pont Jakoba », PK 381, anelanelan’Andranomamy sy Ambalajanakomby. Fiarabe roa no lasibatry ny jiolahy ampolony maro nirongo fiadiana tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Hiaraha-mahalala fa saika lalan-tokana avokoa ary efa somary misy fahasimbana ireo tetezana mandritra iny lalam-pirenena ka voatery mandeha mora ny fiara. Azo heverina fa tamin’izay fotoana izay no nanararaotan’ireo olon-dratsy nanao ny asa ratsiny. Ny mpamily avy hatrany no nokendren’ireto mpanakan-dalana. Ankevitry ny mety nisy fifamaliana ihany teo amin’ireo tao anaty fiara sy ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io satria dia tsy nisalasala velively ireto mpanafika nampiasa hery tamin’ny mpamily iray sy ny mpanampiny. Naratra mafy vokatr’izany moa ireto farany. Tsy namelan’ireo mpanafika araka izany raha tsy vita ny asa ratsy nokasain’izy ireo hatao. Ary tsy tao amin’ily fiarabe voalohany fa lasibatra tahak’izay ihany koa ny kamiao iray nanaraka azy ireo. Ireo volabe sy zavatra maro samihafa ireo lasan’ireo mpanakan-dalana, ary nitsoaka toy tsy teo izy ireo vao nahavita ny zava-dratsy nataony. Fotoana maromaro taty aoriana vao nisy nampandre ny zandary ary nigadona faran’izay haingana teny an-toerana. Tamin’io fotoana io ihany dia nandray an-tanana ny fanadihadiana rehetra hikarohana sy hanaovana hazalambo ireo olon-dratsy ireo. Araka ny fanazavana azo moa, dia hatreto aloha, tsy mbola nisy ny fisamborana saingy efa mizotra mankany amin’izay ny fanadihadiana rehetra. Taorian’io tranga io dia efa nanamafy tanteraka ny fiarovana iny lalam-pirenena iny ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay efa nanampy ny teo aloha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici