- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Lozam-pifamoivoizana indray

RN4 : Lozam-pifamoivoizana indray

Fiara Fourgon sy 4×4 nifandona, mpamily iray naratra mafy tapa-tongotra. Tsy tambo isana ny lozam-pifamoivoizana miseho etsy sy eroa, eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao ho ao izay, indrindra fa tamin’ity volana aogositra taona 2024 ity. Vao tsy ela akory ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny BPR na: Police de la Route Maevatanàna no nitondra fanentanana ho an’ireo mpampiasa ny lalana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny, ka tao ny toromarika maro isan-karazana natao tamin’ireo mpamily, ao anatin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao, mba tokony hitandremana amin’ny tsy tokony handehanana mafy sy misongona ao anaty fiolanana. Ny talata faha-13 aogositra taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any no nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny, teo amin’ny Pk 346+700, tany amin’ny toerana antsoina hoe: Ambodimanga/Betsiboka, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, avaratra kelin’io tanàna voalaza etsy aloha io. Nandritra ny fidinana ifotony nataonay tany amin’ny toerana nisehoan’ny loza no nahitana fiara Sprinter marika Phase 03 Fourgon nitondra entana, toy ny voatabia amin’ny kesika avy any Antananarivo hihazo any Ambanja no nifanehitra tamin’ny fiara 4×4 tsy mataho-dalana marika Hyundai Galloper avy any Mahajanga, hianatsimo ho any Antananarivo. Vokany: mpamily iray tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana no naratra mafy tapa-tongotra, raha tsy naninona kosa ny zanany niaraka taminy sy ireo olona roa niaraka tamin’ilay Fourgon. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ny fiara 4×4. Nentina niakatra any Antananarivo mihitsy ilay mpamily naratra tapa-tongotra, rehefa tsy vita tao amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna ny fitsaboana, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny toerana nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana. Raha hojerena sy hotantaraina tokoa ny zava-nitranga talohan’ity lozam-pifamoivoizana ity, dia nandeha mafy nisasasasa avy any avaratra ilay fiara 4×4, ka taitra ny mpamilin’ilay fourgona, raha sendra nahatazana izany tao anatin’ny fiolanana no namonjy sisiny an-kavanana tsara, saingy mbola voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ihany. Nipitika tany anaty hantsana 20 metatra miala ny arabe ny fiara Fourgon taorian’izay. Ilay 4×4 kosa nivadibadika teo ambonin’ny arabe, ka izay no nitarika ny loza teo amin’ireo fiara roa ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici