Tena nanao sesilany tokoa ny lozam-pifamoivoizana niseho taty amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao ho ao izay, nandritra ny fiandohan’ny volana aogositra taona 2024, ka tao ireo naratra sy namoy ny ainy vokatr’izany. Raha hojerena ny tena zava-nitranga dia vokatry ny haratsian’ny lalana sy tsy fitandreman’ny mpamily amin’ny fisongonana ao anaty fiolanana ary ny maika lava no tena ahitana ny lozam-pifamoivoizana aty amin’ny » RN4, » an-kehitriny, ao anatin’izao fotoana fialan-tsasatra lehibe izao. Noho ireo trangan-javatra notanisaina etsy ambony ireo dia tsy nikely soroka amin’ny adidiny ny Zandary amin’ny hetsika fanentanana hisoroana ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny fotoam-pilantsasatra hoan’ny rehetra, ka ny alatsinainy fahadimy volana Aogositra lasa teo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no nidina teny ifotony, teo amin’ny teboka kilaometatra 310+100, tao amin’ny tanànan’Antsakoamamy, fokontany ao ihany, kaominina Maevatanàna faharoa ny Zandary miandraikitra ny fifamoivoizana avy ao amin’ny ( BPR: Brigade police de la Route Maevatanàna). Teboka telo lehibe nentina nanentanana tamin’izany: Ny voalohany dia fanentanana ireo mpampiasa lalana mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ny fahoroa: dia fanentanana ny mpamily tsy hanao fisongonana ao anaty fiolanana na amin’ny teny baiko manao hoe: « Dépassement dans un virage » sy fisongonana avy an-kavanana: Dépassement droite. Ny fahatelo farany dia fanentanana ny mpandeha mba ho sahy hiteny ny mpamily, raha mandeha mafy ny fiara. Teo ihany koa ny fitenena makasika ny tsy fametrahana ny Zaza latsakan’ny dimy taona eo amin’ny seza anoloana. Nisy hatrany ny fizarana » Dépliant » hoan’ny mpamily sy mpandeha, izay ahitana torimarika. Manoloana izany dia ho mafy ny fepetra hoan’ireo olona mandika ny lalàna. Marihina fa efa natao ny voalohany volana Jolay taona 2024 teo, izao hetsika izao, fa fanamafisana ihany no natao tamin’ny Alatsinainy lasa teo na » Opération Sécurisation Grand Axe période vacances année 2024.
Ratantely