- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Notafihan’ny jiolahy ny fiaran’ny Faritra Boeny sy ny kamiaon’ny Star

RN4 : Notafihan’ny jiolahy ny fiaran’ny Faritra Boeny sy ny kamiaon’ny Star

Fiara roa be izao indray no lasibatry ny jiolahy, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny talata lasa teo. Ny iray, fiarabe izay an’ny Star, ary ny iray fiara tsy mataho-dalana avy ao amin’iny faritra Boeny iny. Vokany, vola dimy alina ariary no lasa ary kitapo efatra nisy ny fitafiana sy antontan-taratasim-panjakana maromaro.

Antoandro be nanahary no nanaovan’ireo olon-dratsy ity fanakan-dàlana ity, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Tsianaloka, ao amin’ny kaominina Andramy, distrika Mahajanga. Tokony ho tamin’iny iraika  ambin’ny folo ora teo mantsy ireo olon-dratsy no nipoitra tampoka avy tany. Am-polony any ho any ireo mpanafika ireto, araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay, ary samy nitondra fitaovam-piadiana sy basy avokoa. Nentin’ny tahotra ireo olona tao anatin’ireo fiara, dia namela malalaka ireo olon-dratsy hanao izay danin’ny kibony. Ary rehefa azon’ireo ireto nilainy, dia lasan’izy ireo nitsoaka. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra izany fanakan-dàlana izany.

Tranga mahavariana ihany izy ity. Inona loatra no tena antony nanosika ireto andian-jiolahy hanafika ireto fiara ireto. Sa mety ho nanantena fa nitondra volabe izy ireo? Tsy fantatra aloha hatreto. Nisy avy hatrany moa ny fidinana ifotony nataona zandary maromaro ; izay notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Mahajanga teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto amin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici