- Publicité -
samedi, septembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Notafihan’ny jiolahy ny fiaran’ny Faritra Boeny sy ny kamiaon’ny Star

RN4 : Notafihan’ny jiolahy ny fiaran’ny Faritra Boeny sy ny kamiaon’ny Star

Fiara roa be izao indray no lasibatry ny jiolahy, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny talata lasa teo. Ny iray, fiarabe izay an’ny Star, ary ny iray fiara tsy mataho-dalana avy ao amin’iny faritra Boeny iny. Vokany, vola dimy alina ariary no lasa ary kitapo efatra nisy ny fitafiana sy antontan-taratasim-panjakana maromaro.

Antoandro be nanahary no nanaovan’ireo olon-dratsy ity fanakan-dàlana ity, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Tsianaloka, ao amin’ny kaominina Andramy, distrika Mahajanga. Tokony ho tamin’iny iraika  ambin’ny folo ora teo mantsy ireo olon-dratsy no nipoitra tampoka avy tany. Am-polony any ho any ireo mpanafika ireto, araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay, ary samy nitondra fitaovam-piadiana sy basy avokoa. Nentin’ny tahotra ireo olona tao anatin’ireo fiara, dia namela malalaka ireo olon-dratsy hanao izay danin’ny kibony. Ary rehefa azon’ireo ireto nilainy, dia lasan’izy ireo nitsoaka. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra izany fanakan-dàlana izany.

Tranga mahavariana ihany izy ity. Inona loatra no tena antony nanosika ireto andian-jiolahy hanafika ireto fiara ireto. Sa mety ho nanantena fa nitondra volabe izy ireo? Tsy fantatra aloha hatreto. Nisy avy hatrany moa ny fidinana ifotony nataona zandary maromaro ; izay notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Mahajanga teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto amin’izao.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici