
Samy taxi-brousse ary samy miasa eo anivon’ny koperativa iray. Ny iray nizotra ho aty an-drenivohitra raha niala Mahajanga ary ny faharoa kosa nifamadika amin’izay ny zotrany. Efa samy nandeha adim-pamataranandro enina teo ireo tombanana ho niala teto an-drenivohitra tamin’ny dimy ora hariva ny taxi-brousse. Izany hoe efa manomboka mitaky ny harerahan’ny mpamily tsirairay avy. Nisy anefa ny nahatsikaritra tamin’ireo fiara izay nifanena teny an-dàlana fa sahisahy loatra ireo fiara. Nifandona teo Begisa ireo fiara fitateram-bahoaka. Nitera-doza tanteraka satria nahafaty vehivavy roa ny fifandonana. Tsy vitan’izay fa olona am-polony no voatery notaterina haingana tao amin’ny hopitalin’ny Maevatanàna mba ho fanavotana ny ain’izy ireo. Ny entana manginy fotsiny potika tanteraka. Ho an’ireo izay hihazo an’i Mahajanga dia nisy ny saika hamonjy fialan-tsasatra kinanjo nitondra takaitra noho ity loza ity. Ho an’ireo ho aty an-drenivohitra indray dia olona saika hamonjy biraom-panjakana ny sasantsasany, toy ny pasipaoro. Ny fiaran’ny koperativa hafa nandalo no nanapa-kevitra ny nijanona, namoaka ny olony ary nitatitra haingana ireo naratra mba ho fanavotana ny aina. Momba ny fiara Sprinter manokana dia betsaka no nahatsikaritra fa lasa matanjaka loatra izy ireny noho ny fisian’ny mpiketrika mampitombo izany fotsiny. Lasa tonga hatramin’ny manao fifaninanana hazakazam-piarakodia aza kanefa fiara tsy natokana velively ho an’izany. Raha ny marina aza dia tsy natao hitateram-bahoaka ireny any ivelany any fa fitaterana entana. Tonga eto amintsika dia vakiana ny vatany ary hasiana varavaran-kely sy seza. Tsy vitan’izay fa mbola ketrehina koa ny motera ary lasa matanja-be. Ny hisatra sy ny kodiarana anefa tsy mifanaraka amin’izany tanjany izany. Dia lasa mitera-doza matetika, mba tsy hilazàna hoe vatam-paty mandehandeha.
D.R





