- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Sprinter roa nifandona, olona iray maty tsy tra-drano

RN4 : Sprinter roa nifandona, olona iray maty tsy tra-drano

Efa matetika no andrenesana trangana lozam-pifamoivizana amin’ny lalam-pirenena fahefatra ary takisiborosy no tena mamoa-doza. Ny Zoma 12 Janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina, dia takisiborosy roa samy marika « Mercedes Sprinter» Mampitohy an’Antanànarivo amin’Antsohihy, no nifanehatra tao anaty fiviliana na « Tournant.» Ny fiara avy any atsimo moa niala lalana nitsivala teo afovoan’ny arabe, ary ny fiara iray avy any avaratra kosa tonga dia nitrotrongy satria nandeha mafy. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Marotaolana PK+ 266 no nitrangan’izany. Olona 21 niaraka tamin’ny mpamily no tao antin’io fiara avy any avaratra io, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina ka enina tamin’izy ireo no naratra mafy, fa ny iray tao afaran’ny Mpamily moa no maty tsy tra-drano. Ny tena nahagaga anefa dia voalaza fa tsy naninona ilay mpamily sy ireo mpandeha tamin’ilay fiara avy any Antanànarivo. Azo heverina araka izany fa nandeha mafy dia mafy io Sprinter saika nivarina tanaty antsana io, saingy tsy fantatra mazava izay antony, na ny haratsian’ny lalana na saika hiala mpandeha an-tongotra tampoka, na alika, na tapaka hitsaka, izay angamba no nahatonga azy nitsivala teo afovoan’ny arabe. Raha ny fanampim-panazavana voaray hatrany dia nandeha mafy io fiara io, no sady mihaotra ny refy ny entana ambony tafo nentiny, ka izay koa no mety nahatonga ny loza. « Efa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitalibe Morafenokely avokoa ireo olona naratra ireo izay samy mbola atahorana avokoa ny ainy, fa ilay maty kosa efa nentina any Antanànarivo. Somary mafimafy ihany mantsy ny fidonan’ilay fiara avy any Antsohihy tamin’io fiara iray nitsivalana teo amin’io arabe io, raha ny fijery azy teny an-toerana,» hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny Zandary avy eto Maevatanàna. Nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nitranga, saingy mbola ao amin’ny toerana iandraiketan’ny Zandary avy ao amin’ny « Brigade de Police de la Route,» no nisehoan’ny loza, ka izy ireo no mandray an-tanna ny famotorana sy ny fanadihadiana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici