- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse iray nivadika, camion hafa latsaka tany anaty hantsana

RN4 : Taxi-brousse iray nivadika, camion hafa latsaka tany anaty hantsana

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana teny amin’iny lalana mianavaratra iny omaly. Ankoatra ny loza nihatra tamin’ny fiara nitondra ireo mpiasan’ny Primatiora tany Antsohihy mantsy dia lozam-pifamoivoizana roa no nitranga tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teo Ankazobe sy teo Mahitsy. Taxi-brousse, sprinter iray no nivadika teo Ankazobe omaly tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina teo ho eo, raha ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana. Handeha hiakatra aty an-drenivohitra ity fiara ity io niharan-doza io. Vokany, saika naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra. Hatreto, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana, dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Torimaso fotsin’ny mpamily ve sa nisy zavatra nanakana? Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ny loza. Fa tetsy andanin’izay, mbola omaly maraina ihany, kamiô mpitatitra entana iray no nivadika tany anaty hantsana, teo Mahitsy. Fantatra fa naratra vokatr’izay ny olona tao anatin’ity fiara ity, ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana. Isan’ny fotoana mahabetsaka ny mpandeha sy ny mpindrana ireo lalam-pirenena mivoaka ny renivohitra ny fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Mila fitandremana avy amin’ireo mpampiasa lalana rehetra izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici