- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse voatafika, lasa avokoa ny entana

RN4 : Taxi-brousse voatafika, lasa avokoa ny entana

Niverina indray ny fanakanan-dalana amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Vao omaly maraina, fiara taxi-brousse iray, manao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga no lasibatra teo Andranofasika. Vokany, potika tanteraka avokoa ny fitaratry ny fiara ary ny tena loza dia saika voaroba avokoa ireo mpandeha niaraka tamin’ny entany. Soa ihany, tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy na izany aza, mafimafy ihany ny very fananana amin’izao andro fety izao.

Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any no nosakanan’ireo tsy mataho-tody ity fiara ity, raha iny izy handeha hitodi-doha ho any an-drenivohitr’i Boina iny. Norarafan’ireo olon-dratsy ny tora-bato avy hatrany izany fiara izany, araka ny vaovao azo ary ny teo amin’ny mpamily no nokendren’izy ireo aloha. Vaky ny jiro, ny fitaratra aloha, ny fitaratra teo amin’ny sisiny ary ny tao aoriana. Voatery tafajanona araka izany ny fiara. Tsy nandrasan’ireto tsy valahara ela akory fa vantany vao nijanona dia nanao amboletra niditra tao anatiny izy ireo. Voasesy ary tena notetezin’izy ireo tsirairay ireo mpandeha tao amin’izany taxi-brousse, nangalan’izy ireo vola, firavaka, finday ary zavatra sarobidy isan-karazany, niampy ireo entana samihafa.

Azo heverina ny horohoro nanjaka tao anaty fiara. Tsy nisy na iray tamin’ireo mpandeha aza sahy nanohitra akory ireto andian-jiolahy mpanakan-dalana ireto, izay nanao izay danin’ny kibony tokoa tamin’izany. Marihana fa tao anatin’ny fotoana fohy monja no nanavaon’ireto olon-dratsy izany asa ratsiny izany ary raha vao nahazo izay nilainy izy ireo dia nitsoaka toy ny tsy teo. Taorian’izay vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireto lasibatra. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo zandary misahana iny faritra iny taorian’ity zava-nisy ary efa niroso tamin’ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto mpanakan-dalana ireto izy ireo. Hatreto, tsy mbola nisy tratra aloha izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici