- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Taxi-brousse voataro-bato, mpandeha iray naratra

RN4 : Taxi-brousse voataro-bato, mpandeha iray naratra

Miverina indray ny fanakanan-dalana ataon’ireo andian-jiolahy eny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Ny marainan’ny alarobia lasa teo, taxi-brousse iray avy any Mahajanga no voatora-bato teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimarina, ao amin’ny distrika Ankazobe. Vokany, vaky ny fitaratra, ary mpandeha iray no naratra voan’ny vato. Tsy nisy zavatra azon’ireo mpitoraka anefa fa tafatsoaka ihany ity fiara sprinter ity, araka ny fampitam-baovao azo. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina teo no niseho ity trangana fanakanan-dalana ity, teo amin’ny PK92. Taxi-brouss an’ny kaoperativa Kofifi no lasibatra tamin’ity indray … mitoraka ity, raha avy any an-drenivohitr’i Boina ka handeha hitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Tsy fantatra mazava izay tena niavian’ny toraka, araka ny fanazavàna azo. Tsy fantatra rahateo ihany koa ireo olona nitoraka izay nitampify tanaty bozaka tany. Azo heverina fa ny mpamily no nokendren’ireo olon-dratsy tamin’izany kanefa tsy voa io fa mpandeha iray hafa no tratran’ny vato. Vokatr’izay dia afaka nitsoaka ihany ilay fiara, ary nampandre avy hatrany ny zandary. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana moa ilay naratra. Tetsy andanin’izay kosa, vantany vao nahare ny fisin’ireo tranga io ny zandary dia nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny savahao. Efa tsy nisy tratra intsony moa ireo mpitoraka, saingy mbola mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici