vendredi, avril 25, 2025
AccueilFaits-DiversRN44 : Mpivady niara-maty voafaokan’ny fiara

RN44 : Mpivady niara-maty voafaokan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona roa be izao tamin’iny lalam-pirenana faha-44, mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka iny, ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana dia teo amin’ny toerana antsoina hoe « lalan-dratsy », 12 kilaometatra tsy hiditra ny tananan’Ambato no nitranga izany. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifaoka mpitondra môtô teny an-dalana. Mafy dia mafy ny dona. Nipitika lavitra sy tsy nisy noraisina ny kodiaran-droa. Namoy ny ainy teo no ho eo kosa ireo olona roa, mpivady nitaingina izany moto izany. Mazava ho azy, nandeha mafy ilay fiara tsy mataho-dalana, izay tsy nahita an’ity môtô nifanena taminy. Avy nijery tanimbary ireto farany ary an-dalana hody any Ambatondrazaka. Ilay fiara tsy mataho-dalana kosa, an-dalana hihazo an’i Moramanga ary hihazo an’i Toamasina. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy ary nitondra ilay mpamily, ho amin’ny fanadihadiana. Ny razana kosa, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia efa nentina nihazo an’i Madiotsifafana, toeram-ponenan’izy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici