- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversRN5 : Nifandona ny taxi-brousse sy 4X4 : 14 naratra mafy

RN5 : Nifandona ny taxi-brousse sy 4X4 : 14 naratra mafy

Tokony ho tamin’ny 5 ora sy 20 minitra, ny talata hariva teo, dia nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-5. Fiara tsy mataho-dalana, Sorento 4×4, sy taxi-brousse mini-bus Mazda manga mpanao zotra Toamasina – Tanambao Nosibe no nifandona tamin’izao lozam-pifamoivoizana izao, tao amin’ny kaominin’Antetezambaro amin’ilay tetezana tery roa mifanaraka ka tsy maintsy mifandimby miditra aminy manakaiky ny karieram-bato taloha no nitranga ny loza. Vokany: olona 14 naratra mafy, tena voa mafy tamin’izany ny mpamily an’ilay fiara mini-bus Mazda noho ny tongony roa nisy fahatapahana avokoa. Ireo ambiny na ireo tamin’ilay fiara 4×4 na ireo mpandeha tao amin’ilay mini-bus Mazda na naratra mafy aza dia tsy misy atahorana ny ain’izy ireo, ary samy efa nahazo ny fitsaboana sahaza ny ratrany avokoa teo anivon’ny vonjy ainan’ny hopitaliben’i Toamasina, ny talata alina ihany, na mbola misy aza ireo manaraka fitsaboana azy ao amin’ny hopitaly hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpandeha tao anatin’ilay mini-bus dia samy nandeha mafy na ilay fiara 4×4 na ilay taxi-brousse ; teo am-pidirana ilay tetezana tery roa mifanaraka ao an-kariera taloha anefa dia ilay fiara 4×4 no tafiditra mialoha, nefa mbola nisisika niditra tsy nahatana ny hisatra ilay fiara mini-bus Mazda, ka izao nifandona teo am-pivoahana sy am-pidirana ny tetezana izao izy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny zandary misahana ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena faha-5 ny raharaha izao, ka ho hita eo ny ho fandehany amin’izay mamaritra ny nanana fahadisoana tamin’izao loza izao…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici