- Publicité SW45 -
samedi, mai 4, 2024
AccueilFaits-DiversRN6 : Fiara maromaro voatafika sy voatora-bato

RN6 : Fiara maromaro voatafika sy voatora-bato

Miainga any indray ny fanakanan-dalana ! Fiara maromaro ny lasibatra tamin’ny lalam-pirenena fahenina iny, mampitohy an’Ambondromamy amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antafiandakana sy Antanambao, samy ao amin’ny kaominina Ambodimandresy, distrika Antsohihy. Eo amin’ny 35 km tsy hidirana ny tampon-tanan’Antsohihy ity toerana ity raha avy any avaratra hoy ny loharanom-baovao. Vokany, fiarabe iray no potika “parabrise”, vokatry ny tora-baton’ireo olon-dratsy. Fiara taxi-brousse iray hafa, vaky fitaratra tao aoriana. Nahavoa sy naharatrana mpandeha iray ny vakim-pitaratra, saingy raha ny angom-baovao dia tsy dia naninona izy io. Voalaza aza fa mbola nisy fiara mpitatitra teo amin’ny telo teo ihany koa niharan’io tora-bato io, saingy nisafidy ny handeha sy hanohy ny diany ihany izy ireo, hoy ny vaovao.

Taorian’ny fampandrenesena nataon’ny zandary moa dia nidina avy hatrany teny amin’io toerana voalaza io ireo mpitandro filaminana, izay notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana mihitsy. Nisy avy hatrany ny fandraisana fanapahan-kevitra ny tsy hamelàna ireo fiara handeha irery intsony ary fanasiana zandary tao anatin’ireo fiara mpitatitra. Marihana fa nijanona teo amin’ny fitoraham-bato ihany ireo olon-dratsy fa tsy niroso nanohy hatramin’ny farany ny asa ratsiny. Tsy nisy araka izany ny zavatra very na ny namoy ny ainy tamin’ireo mpandeha, ankoatry ny fahasimban-javatra moa izany. Ankoatr’ireo paik’ady noraisina, hanamafisana ny fiambenana amin’iny lalam-pirenena fahenina iny moa dia efa nosokafan’ireo zandary ihany koa ny fanadihadiana hahafahana mikaroka ireo olon-dratsy. Azo heverina ihany mantsy fa olona tao amin’io tanana io voalaza etsy ambony io, ireo mpisotasota ka nisy ny famoriana ireo fokonolona tao an-tanana, ny sabotsy teo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici