- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversRN6 : Jiolahy mpanankan-dalana iray nadoboka am-ponja

RN6 : Jiolahy mpanankan-dalana iray nadoboka am-ponja

Nisesisesy mihitsy tato ho ato ny hetraketraka sy fankanan-dalana amin’iny lalampirenena fahenina mampitohy an’Ambondromamy sy ny tendrony avaratry ny Nosy iny. Soa ihany anefa, tsy mandry andro tsy mandry alina ireo mpitandro filaminana, miezaka mamongotra izany asa ratsy izany ary misambotra ireo mpanao ratsy. Nitrangan’ny fanakan-dalana tsy tontosa tamin’iny RN6 ny alin’ny zoma lasa teo, teo amin’ny fokontany Antambohitra, kaominina Ambohimandresy, distrikan’Antsohihy. Vatan-kazo lehibe iray, niaraka tamin’ireny tsangam-bato natao ho famantarana eny amin’ny lalana ireny no nadabok’ireo olon-dratsy sy natsivalana teo am-povoan-dalana. Mailo avy hatrany ireo mpindrana izany lalam-pirenena izany ka nampandre avy hatrany ny zandary tany an-toerana. Soa ihany, raha ny fampitam-baovao azo, tsy mbola nandaitra sy toa tsy nisy tafalatsaka tao anatin’ny fandrik’ireo olon-dratsy aloha ireo mpampiasa lalana. Vao nahazo ny antso dia nidina avy hatrany teny an-toerana, tsy nisy hataka andro ireo zandary. Nanesotra ny sakana ary nanao sahavao ny manodidina, hikarohana ireo olon-dratsy nikasa hanakan-dalana. Tsy nahitàna na inona na inona tamin’izay fotoana izay. Ny andro nanaraka io anefa dia nisy lehilahy iray nosamborin’ny zandary tsy lavitra ilay toerana nisian’io fanakan-dalana io. Voalaza fa nampiahiahy tanteraka ity lehilahy ity ary tamin’ny fisavàna ny tranony dia nahitàna porofo, izay mety haningotra azy tamin’ny fandraisana anjara tamin’ilay fanakanan-dalana. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ity farany. Taorian’ny fakàna am-bavany dia natolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy teo, ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa, nandray anjara tamin’ity fikasàna hanakan-dalana ity. Tsiahivina tokoa fa vao volana vitsy lasa izay no nisy fitairanana nataon’ny mpampiasa lalana maromaro ny amin’ny fisian’ny olona mitora-bato sy mihetraketraka amin’iny lalam-pirenena fahenina iny, izay niafara tamin’ny fahasimban’ny fiara maromaro. Efa nandraisan’ny zandary fepetra moa ireo tranga io ary fantatra fa nisy tovolahy roa nosamborin’izy ireo tamin’izany, tany amin’iny distrikan’Antsohihy iny hatrany. Tamin’ity indray mitoraka ity, tsy vitan’ny tora-bato intsony ity fa efa nisy mihitsy ny fikasana hanakan-dalana

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici