Avy namonjy tsena avy ao Tsarahasina ity fiarabe ity ary handeha hody any Mampikony no sendra izao loza mahatsiravina izao, teo Tanetilava. Lehilahy iray 35 taona no mbola tsy hita ary ifampitadiavana any an-toerana.
Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo, omaly, no nisehon’ity loza ity teo amin’ny « radier » teo Tanetilava, faritra Sofia, tamin’iny lalam-pirenena fahenina iny. Fiarabe iray, feno entana no nivadika, vokatry ny tosiky ny rano ary lasa tanteraka. Raha ny fanazavana avy amin’ny zandary tany an-toerana dia azo heverina fa tsy nisy afa-tsy roa lahy, ny mpamily sy ity lehilahy iray tao aoriana no tao anatin’izany fiarabe izany. Ilay mpamily no avotra soa aman-tsara, raha navalan’ny rano niaraka tamin’ny fiara kosa ilay lehilahy taoriana. Efa mandeha moa ny fikarohana ity tsy hita popoka ity ataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Marihina fa olona mipetraka ao Mandroso Mampikony ity olona nentin’ny rano ity.
Raha ny fampitam-baovao hatrany, taorian’ny fiakaran’ny rano teo amin’io toerana io dia efa nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny amin’ny hampijanona ireo fiara mindrana izany lalam-pirenena izany, na ny avy any avaratra io na ny aty atsimo. Samy tokony hijanona eo Mampikony avokoa izy ireo, mandra-pihenan’ny rano. Misy amin’ireo mpamily sasantsany ihany anefa no mikiry hiampita izany « radier » izany, hoy hatrany ny vaovao. Ny ankabeazany dia ireo manana fiara matanjaka sy tsy mataho-dalana. Ankevitry ny anisan’ireny ny mpamilin’ity fiarabe ity, izay maika hody any Mampikony, rehefa avy namonjy tsena tao Tsarahasina, 25km miala an’i Port Bergé.
Nanomboka ny alatsinainy lasa teo no fantatra fa niha-niakatra ny rano teo amin’izany toerana izany, vokatry ny rotsan-korana be nentin’ny rivodoza Cheneso. Tsy mitsahatra miakatra sy mihamafy anefa ny rano amin’izany toerana izany. Voalaza ihany koa fa efa silaky ny arabe ihany koa sisa no azo andehanana teo amin’izany « radier » izany ka atahorana mafy ho tsy misy arabe intsony ao aorian’izao ranobe izao. Ahiana hanapaka tanteraka iny lalam-pirenena iny mianavaratra iny izany.
m.L