- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversRN6 : Tapaka ny làlana, fiara iray lasan’ny rano

RN6 : Tapaka ny làlana, fiara iray lasan’ny rano

Nihotsaka ny tetezana mifanandrify amin’Ambalavola (PK 217+100), eo anivon’ny distrikan’Antsohihy. Tapaka araka izany ny làlana nanomboka omaly maraina. Nisy fiara mpitatitra entana nandeha teo ambonin’ny tetezana tamin’io fotoana io ary dia naira-nirodana taminy tao anaty rano. Lasan’ny ranobe ilay fiara ary dia notazanin-davitra fotsiny sisa. Soa aza fa mba tsy nisy ny aina nafoy, satria nahavita nanavo-tena ny mpamily na dia mafy dia mafy aza ny riaka tao ambany tetezana. Vao telo andro lasa koa, mbola tamin’iny RN6 iny ihany, teo Antsatramanera, no nisy fiara sasany izay saika lasan’ny rano raha tsy nifamonjen’ny olona nosintomina. Toerana roa samihafa no na miakatra mihoatra ny arabe ny rano ary mahazaka fiarabe na koa nihotsaka ny tetezana. Ankoatra izay, mbola mety misy hafa tsy voatatitry ny teknisiana satria mety hirodana angamba vao hita maso sy hanaovana tatitra. Midika izany rehetra izany fa tandindomin-doza tanteraka ny fandehanana amin’iny lalam-pirenena iny ankehitriny mandra-pihidin’ny rano ary koa mandra-pahavitan’ireo fotodrafitrasa simba. Isan-taona dia miverina hatrany ny fahasimban’ny làlana noho ny tsy fisian’ny fikojakojàna ara-potoana. Etsy andanin’izany dia ilaina ny fanaraha-maso ny tsenambarom-panjakana mahakasika ny fanamboaran-dàlana eto amintsika. Raha ny lalam-pirenena rehetra mantsy amin’izao fotoana no indray simba, tokony hipetraka ny fanontaniana ny amin’ny maha-matihanina na tsia izay orinasa nanamboatra azy ireny. Indrindra koa volabe tsy toko tsy forohana no mihodina ao anatiny ary volabe izay halaina amin’ny hetra sy ny hetra amin’ny vidin-tsolika. Ankehitriny, noho ny hamehana dia tsy mandalo tsenambaro-panjakana intsony ny fisafidianana ny orinasa hanao làlana sy ny vola hanaovana izany. Asa indray izay mety ho vokany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici