- Publicité SW45 -
mardi, décembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 Antananarivo-Antsirabe : Andaniana ora 5 vao tongan’ny fiara

RN7 Antananarivo-Antsirabe : Andaniana ora 5 vao tongan’ny fiara

Sorena ny mpandeha, fimenomenomana no re etsy sy eroa amin’ny faharatsian’ny lalana, tsy eto an-tapontanana ihany izy io fa saika manerana ny  lalam-pirenena mihitsy. Manginy fotsiny ny fahasimban’ny fiara hoy ireo mpandraharaha eo amin’ny resaka fitanterana, ny fahalafosan’ny kojakoja ilaina tsy lazaina intsony, izany no hiainan’ny mponina tao anatin’izay taona maromaro lasa izay.

 Raha ny lalam-pirenena faha 7 mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe no resahana dia andaniana ora 5 izany fara fahakeliny raha toa ka ora telo mahery kely no nanaovana azy teo aloha. Marihina fa in-dray mijanona ihany ny fiara mandritra ny lalana. Saika feno lavadavavaka avokoa ny lalana rehetra, zara raha misy faritra kely monja afahan’ny fiara mahazo aina. Raha ny zava nisy no jerena dia tsy nisy mihitsy ny fikojakojana ity lalam-pirenena ity na dia “tip top” fotsiny ihany aza  fa navela ho potika sy rava vao hoe hasiana fanamboarana. Ela loatra ny fandraisana andraikitra, efa anatin’ny jaly ny mponina vao hitady vahaolana ny mpitondra.

Fantatra fa hasiam-panamborana ny lalam-pirenena faha7 mampitohy ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra. Efa nisy ny fitsidihana notarihinn’ny  minisitry ny asa vaventy Théodore Richard Rafidison niaraka tamin’ny orinasa hamboatra ny lalana, notsidihana avokoa PK tsirairay. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PDDR « Projet de Développement Durable du secteur Routier à Madagascar ity fanamboaran-dalana ity ka ny banky iraisam-pirenena no mpamatsy vola, ny orinasa ZHONGMEI ENGEENERING GROUP LTD no miandraikitra ny asa rehetra.

Mizara roa ny fanatanterahana ny asa ary samy manana ny fe-potoanany. Ho an’ny ampahany 3A , lalana mirefy 60-50 km manomboka eo amin’ny PK 11+500 hatrany amin’ny PK 72+000 no ezahina vitaina ao anatin’ny 18 volana. Mikasika ny ampahany 3B kosa dia mitsinjara telo, k any lalana voakasika  PK 94+550 hatrany amin’ny PK109+800 mirefy 15.250km, PK 122+200 hatrany amin’ny PK145 mirefy 22.800km , PK 159+000 hatrany amin’ny PK 165+000, mirefy 6km, haharitra 16 volana kosa ny faharetan’ny asa.

Ny governora sy ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana kosa ny mijery akaiky ny fanatanterahana ny asa. Antenaina fa hizotra amin’ny antsakany sy ny tokony ho izy ity tetikasa ity fa tsy zary ho fampiakarana ny moralin’ireo mpampiasa ny lalana fotsiny ihany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici