Fiara tsy mataho-dàlana tsara tarehy, Jeep Rubicon, ireny tsy dia misy mpitandro ny filaminana manakana matetika ireny. Nosakanan’ny polisy tampoka anefa teo amin’ny toerana antsoina Voatavo, kaominina Zazafotsy, distrikan’Ihosy. « Nampiahiahy ity fiara ity ka niroso tamin’ny fisavàna ny polisy. Tsy nisy taratasy momba ilay fiara mihitsy teny amin’ireo lehilahy telo tao anatiny. Rehefa nosavaina ireo gony miisa 26 tao anaty fiara dia rongony no tao anatiny, izay nokasaina hoentina any Antananarivo. Voalaza ihany koa fa avy any Sakalalina ilay fiara », raha araka ny fanazavana. Nogiazana avokoa na ny rongony na ny fiara nitatitra izany. Mbola nitohy omaly ny fanadihadiana, alohan’ny hanolorana ireo olona telo eo anivon’ny fampanoavana. Ao anatin’ity raharaha ity dia mbola voaporofo fa mivezivezy amin’ny lalam-pirenena ny rongony. Miovaova ny fitaterana izany. Teo aloha dia matetika ireny kamiao mpitatitra solika ireny no hampitondraina azy. Efa nandalo teo koa ny fiara fitaterana marary (ambulance). Nisy koa ny fiara fitateram-bahoaka. Midika izany fa miketrika koa ny mpanondrana mba hialàna amin’ny mety ho fisavàna. Miakatra aty an-drenivohitra matetika ny lalan’ireo rongony ary avy any atsimo hatrany no iaingan’izany.
D.R




