- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Fiara nitondra mpanao rugby nivadika

RN7 : Fiara nitondra mpanao rugby nivadika

Hihazo an’Antsirabe ny dia raha niala teto an-drenivohitra, kinanjo vao tsy lasa lavitra akory dia niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Tetsy alohan’Ihazolava no nitranga ny loza ny harivan’ny asabotsy teo. Fiara efatra no nitondra ireo ekipa roa izay hanao fifaninanana any an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Ny iray tamin’ireo no tra-doza ary nivadika. Saika naratra avokoa izay tao anatin’ny fiara. Nifanampy ny olona sy ny mpilalao lavalava tamin’ny famoahana maika izay tao anatin’ny fiara. Toraka izany koa tamin’ny fitaterana maika ny naratra tany amin’ny hopitalin’Ambatolampy. Fiara mitondra ny marika Sprinter izay nofaina ilay nanondrana ka nitarika ny lozam-pifamoivoizana. Manomboka misesy indray ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena noho ny antony maro. Ny voalohany dia ny fitombon’ny lavaka noho ny tsy fisian’ny fikojakojàna ara-potoana ny làlana, hita maso tanteraka izany amin’iny RN7 mihazo an’Antsirabe iny. Manaraka izany indray dia ny fahatongavan’ny fahavaratra izay vao mainka koa manampy trotraka ny fahasimban’ny làlana. Vokatr’izany rehetra izany dia mora tonga ny loza raha ho an’ny olona maika kanefa tsy mahay firy ny làlana sy ny toerana misy ny lavaka be mampidi-doza eo aminy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici