- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Fiaram-panjakana nahafaty olona

RN7 : Fiaram-panjakana nahafaty olona

Maty tsy tsa-drano ny ramatoa iray manodidina ny 50 taona rehefa nofaohin’ny fiara tsy mataho-dàlana, ny asabotsy teo. Rehefa nohamarinina dia fiaram-panjakana izay ampiasain’ny talem-paritra iray izany. Raha araka vaovao akaiky ny fianakaviana dia tsy ny mpamily no nitondra io fiara io fa ramatoa iray hafa izay nolazain’izy ireo fa vadin’ilay tale. Nandritry ny fitsidiham-paritra nataon’ny minisitra iray tany an-toerana io tranga io ary mety azo heverina fa andeha hamonjy izany ilay fiara no io niteraka lozam-pifamoivoizana io. Efa nandeha ny fifampiresahana tamin’ny fianakavian’ny maty raha araka ny nampitaina. Na izany kosa aza anefa dia niparitaka vetivety tamin’ny tambajotra sosialy ny zava-nisy ary ny tena nasongadina tao dia ny hoe tsy mpiasam-panjakana no nitondra ilay fiara tamin’ny nitrangan’ny loza. Mahatohina ny olona hatrany rehefa fiaram-panjakana no manao lozam-pifamoivoizana satria haingana be ny fiheverana fa tsy matahotra sazy ny mpamily. Betsaka koa ireo izay tena tsy miraharaha mihitsy, indrindra rehefa fiara tsy mataho-dàlana sy fitaratra miloko mainty, izany hoe mitondra olona ambony. Rehefa eny amin’ny lalam-pirenena anefa dia mitovy avokoa ary lalàna iray ihany no tokony miasa dia izay voalazan’ny lalànan’ny fifamoivoizana. 

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici