- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversRN7 : Kamiô voatafika, olona iray maty voatifitra, 30 tapitrisa ariary very

RN7 : Kamiô voatafika, olona iray maty voatifitra, 30 tapitrisa ariary very

Nirefodrefotra ny basy. Nandriaka ny rà tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, omaly vao mangiran-dratsy. Kamiô iray no notafihan’ny jiolahy maromaro nitondra kalach, kilaometatra vitsivitsy tsy hiditra an’Ivato Centre, any amin’iny distrikan’Ambositra iny. Vokatr’izay, mpandeha iray tao anatin’ity kamiô ity no maty voatifitry ny basy. Vola mitentina 30 tapitrisa ariary kosa no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izay fotoana izay. Araka ny fantatra dia tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no nitranga ity fanafihan-jiolahy ity. Nobahanan’izy ireo tamin’ny vato sy hazo ny lalana tamin’io fotoana io. Vantany vao nijanona ity kamiô ity dia ny basy no nampitenenin’ireo jiolahy, izay miisa teo amin’ny telo lahy teo, raha ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana tamin’ireo niharam-boina. Kalach no nentin’ireo olon-dratsy, raha ny fantatra hatrany. Rotiky ny bala tanteraka ity kamiô ity, ka tamin’izany no nahavoa ilay olona tao anatiny, izay marihana fa tompon’ilay fiara. Olona efatra izy ireo no tao anatiny, saingy angamba toa nataon’ireo olon-dratsy fanahy iniana mihitsy ny nikendry ity tompon’ny fiara ity, izay maty tsy tra-drano. Raha ny fantatra hatrany mantsy dia toa hoe handeha hividy omby any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny ity kamiô ity, izay niainga avy aty an-drenivohitra. Araka izany, mety ho efa fantatr’ireto olon-dratsy ny fisian’ny volabe nentin’ireto olona ireto. Tamin’ny fotoanan’ny fanafihana dia toa efa fantatr’ireo olon-dratsy ny fitoeran’ilay sakaosy nisy ilay volabe. Nambara mantsy fa efa nafenina tany akaikin’ny “reservoir” tany ho any ity volabe ity kanefa dia mbola hitan’ireo olon-dratsy hatrany. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana, na pôlisy io na zandary, raha vantany vao fantatra ny fisian’ilay fanafihana, saingy efa nadio efa nanjavona ireo olon-dratsy. Nafenin’ny alina rahateo. Efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy nahavanon-doza, araka izany, iretsy voalohany. Araka izany dia manentana hatrany ireo mpindrana ireo lalam-pirenena rehetra ireo tompon’andraikitry ny filaminana, indrindra fa ireo voatery handeha alina, mba hanaraka ny fandaminana hisorohana ny mety hisian’ny loza.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici