- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Mpividy volamena notafihan’ny jiolahy mpanakan-dalana

RN7 : Mpividy volamena notafihan’ny jiolahy mpanakan-dalana

Ny faran’ny herinandro lasa teo, mpividy volamena iray nandeha môtô indray no lasibatry ny mpanakan-dalana teo anelanelan’Ambohitompoina sy Andranofito, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy, amin’iny lalam-pirenana fahafito iny. Naratra mafy ity lehilahy ity, ka voatery nentina tany amin’ny hôpitaly tao Antsirabe. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny vola tany aminy. Teo amin’ny dimy lahy teo no isan’ireo olon-dratsy, ary tsy nitondra fitaovam-piadiana. Vantany vao hitan’izy ireo nandalo fotsiny ilay rangahy, avy hatrany dia novelesiny tamin’ny hazo ny lohan’ity rangahy ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary tany an-toerana ka tsy niandry ela dia efa nisy ny vokatra. Tratra tsy lavitra teo ny lehilahy iray 40 taona iray nampiahiahy. Mbola tratra tany aminy ny findain’ilay mpividy volamena ary niaiky ihany koa ranamana fa isan’ireo olon-dratsy. Fantatra fa nandeha fiara izy ireo ary efa ela no nitiliany ilay rangahy mpividy volamena. Tetsy andanin’izay, voasambotra taty An-drenivohitra ny mpamilin’ilay fiara nentin’ireo olon-dratsy ireo. Mbola misy naman’ireto olon-dratsy ireto, hafa karohina amin’izao fotoana. Rehefa tsy ny lozam-pifamoivoizana tokoa no mamely eny amin’ireny lalam-pirenana ireny, dia manao ny ataony indray ny jiolahy mpanakan-dàlana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici