jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Nifampitifitra ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy mpanakan-dàlana

RN7 : Nifampitifitra ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy mpanakan-dàlana

Najanona tao Sakaraha avokoa aloha ireo fiara rehetra handeha hihazo ny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ny alin’ny zoma lasa teo. Nitrangana fanakan-dàlana indray mantsy tao Mahaboboka, tanàna am-polony kilaometatra miala an’i Sakaraha. Nisy ny fifandonana tamin’ireo mpitandro filaminana

Vato lehibe isan-karazany no napetrak’ireo andian’olon-dratsy teo am-povoan’arabe tamin’io fotoana io. Ireto farany amin’io, mitampify anaty bozaka sy miandry kendry tohana izay mandalo fotsiny. Raha ny fantatra, dia efa nisy fiarabe iray efa nandalo teo amin’ilay sakana, saingy afaka ihany. Na izany na tsy izany aza anefa dia nirarakompana ny tora-bato isan-karazany nandritra ny fialàn’ity fiarabe ity. Soa tamin’io, araka ny fampitam-baovao azo, fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Taorian’io fiarabe io no nisy taxi-brousse, iray narahina mpitandro filaminana. Niezaka nitifitra ireto olon-dratsy, saingy namaly tifitra ihany koa tetsy andanin’izay ireo andian-jiolahy mpanakan-dàlana. Avy hatrany dia nampandrenesina ny mpitandro filaminana, ny amin’ny fisian’ity tranga ity. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisin’izy ireo, ny amin’ny tsy famelana ireo fiara hafa hanohy ny diany intsony. Ireo efa tsy teny an-dàlana intsony dia nasaina niverina nankany Sakaraha. Taorian’io, nisy ny fidinan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana, nifandona tamin’ireo dahalo, izay tafatsoaka ihany, nony farany.

Azo lazaina, fa ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny ankabeazan’ny maro amin’izao ka miezaka ny misintaka kely ny renivohitra avokoa. Ny fotoana toy izao indrindra no isan’ny mahabe ny lozam-pifamoivoizana ary indrindra indrindra ny fanararaotan’ireo olon-dratsy, manakan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena. Mazàna dia ireo làlam-pirenena be mpindrana kanefa tsy dia maro loatra ny mivezivezy, toa an’iny lalam-pirenena mianavaratra sy mianatsimo no kendren’izy ireo. Toy ity nitranga tamin’ny lalam-pirenena fahafito miala an’i Sakaraha ity. Tsy dia be fiara mifamezivezy toy ny lalam-pirenena faharoa mantsy iny làlana iny, raha vao miala fotsiny an’Ambalavao, ary tsy misy tanàna lehibe intsony ihany koa raha tsy afaka am-polony kilaometatra maro. Torak’izany ihany koa ny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici