- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Nifampitifitra ny zandary sy ny mpanakan-dàlana

RN7 : Nifampitifitra ny zandary sy ny mpanakan-dàlana

Ny basy nampisain’ilay jiolahy

Tsy maintsy nampiasana hery izay vao lefy ilay jiolahy mpanakan-dàlana. Nanana basy izy teny an-tanany ary tsy nisalasala ny nampiasa izany mba hanoherana ireo mpitandro ny filaminana izay hisambotra azy. Raikitra arak’izany ny fifampitifirana. Nanomboka nahatsiaro tena ho resy ilay rangahy ary nitsoaka teo an-toerana. Tsy namelan’ny zandary fa narahany hatramin’ny farany ary dia tao an-tranony izay tsy miala lavitra ny lalam-pirenena fanaovany fanakanan-dàlana no voasambotra. Nitolo-batana amin’izay rehefa hitany fa tapitra ny lalan-kizorana. Teny amin’ny RN7 no nitrangan’izany, teo Andohoany, Anjoma-Nandihizana. Nivoatra izany ny fanadihadian’ny zandary mahakasika ny fanakanan-dàlana izay niseho teo akaikin’Ambohimahasoa tamin’ny volana novambra lasa teo. Momba ity tranga ity, dia mbola nisy fifampitifirana ihany koa,satria nisy zandary tao anatin’ny taxi-brousse izay nataon’ireo olon-dratsy lasibatra. Tsy nisy voasambotra tamin’izany saingy tsy nanakana ny tsy hisian’ny fanadihadiana. Roa volana taty aoriana ary dia hita ny misy ilay olon-dratsy izay voalaza fa atidoha nikotrika ny fanakanan-dàlana nisesisesy teo amin’ny manodidina ny PK347. Rehefa voasambotra izy niaraka tamin’ny basim-borona fampiasany, dia mbola nilaza koa ny vadiny fa misy basy iray hafa. Basy kalachnikov raha araka ny filazan’io andefimandriny io. Tsy lavitra ny tranony no nanafenany izany ary mazava hoazy fa nitohy tamin’ny fikarohana izany fitaovam-piadiana izany ny asan’ny zandary. Nisy efa-dahy voasambotra taorian’io, rehefa nivoatra hatrany ny fanadihadiana. Nofatorana izy dia natao teo amin’ny arabe mba ho hitan’ny olona, talohan’ny nitondrana azy teny amin’ny biraon’ny mpanao fanadihadiana. Efa harivariva no nitranga io poa-basy io ary mazava fa vao milentika izany ny masoandro dia efa mivonona ny jiolahy mpanakan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici