- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Ramatoa maty tao anaty taxi-brousse

RN7 : Ramatoa maty tao anaty taxi-brousse

Teto an-drenivohitra izy no naka fiara fitateram-bahoaka tetsy Anosizato (fasan’ny karàna) ary nitodi-doha ho any Antsirabe, ny andron’ny Paska. Azo heverina fa mba saika hamonjy fety avy any amin’ny tany niaviany ilay ramatoa izay sahabo ho 60 taona. Teny ambony taxi-brousse anefa dia tojo ny tsy fahasalamana tampoka. Taitra ny rehetra raha nahita azy nanao krizy. Nanapa-kevitra ny nitondra azy teny amin’ny hopitaly akaiky indrindra dia tao Antanifotsy izany. Tsy tàna anefa ny ain’ilay ramatoa na teo aza izany fialàna nenina izany. Charline no anaran’ilay ramatoa dia izay ihany ny fantatra momba azy. Napetraka ao amin’ny tranom-paty izy rehefa vita ny fizahana isan-karazany nataon’ny manam-pahefana. Mbola tsy fantatra ny fianakaviany ary handrasana haka azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici