- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Rongony efa ho antsasan-taoniny nafeniny tao anaty « citerne »

RN7 : Rongony efa ho antsasan-taoniny nafeniny tao anaty « citerne »

Miova tsy horonantsary mihitsy no nalaina tahaka ? Saingy efa mailo sy manana paik’ady manokana hitiliana ireo mpanao trafikan-drongony ireo zandary misahana ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Omaly maraina, rongony manodidina ny 17 kitapo teo no tra-tehaka na dia noezahina nafenina tao anatin’irony « citerne » an’ny kamiao mpitondra solika irony aza ! « Traikefa efa ananan’ireo Zandary BPR misahana ny lalam-pirenena amin’iny Ihosy iny ny fitsirihana ireo fiarabe mpitondra solika, satria matetika mitondra rongony avy any Betroka na Toliara » hoy ny vaovao azo. Omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any tokoa ary raha nametraka sakana hisavàna ireo fiara rehetra mindrina iny RN7 iny ireo zandary no nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ny mpamilin’ity kamiao « citerne ». Tsy nisalàsalàna avy hatrany fa nitondra zavatra hafa ity fiarabe ity fa tsy solika na ranon-javatra hafa velively. Nasaina nidina ny mpamily ary nosokafana teo no ho eo ihany ny saron’ilay fitoeran-tsolika tao aoriana. Tra-tehaka teo araka izany ny gony maromaro feno ravin-kazo maina. Rehefa notiliana akaiky dia fantatra fa rongony maina maromaro, notetehina, natambatra ary nofehezina hahazo endrika lavalava. Nosamborina avy hatrany ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nentina natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary. Ilay fiarabe kosa naiditra am-balam-pamonjana. Ireo gony feno rongony kosa, izay nitotaly teo amin’ny 352 kilao teo ho eo ny lanjany dia nogiazana aloha mandra-pahavitan’ny famotorana lalina, izay tsy maintsy hiafara tamin’ny sazy henjana hoy ny zandary. Mazava ho azy moa fa saika haparitaka aty an-drevohitra ireto zavamahadomelina ireto. « Ny zandarimaria dia manantitra hatrany fa zava-doza eo amin’ny fiaraha-monina ny fambolena sy fivarotana ary ny fidorohana zavamahadomelina tahaka itony. Ho mafy araka izany ny fikarohana sy ny fanasaziana ». Tsy nikely soroka tokoa ireo mpitandro filaminana tato ho ato izay tamin’ny ady atao amin’ity trafikana rongony ity, hatrany Atsimo ka hatrany Avaratra fa indrindra ireo izay efa tafiditra eto an-drenivohitra. Hatramin’ny niandohan’ny volana teo fotsiny dia efa nahatratra aman-taoniny any ho any ireo rongony tratra ary efa olona maromaro no naiditra am-ponja vokatr’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici