
Teo Antsahalava (PK 52+880)no niseho ny lozam-pifamoivoizana ny marainan’ny asabotsy. Fiara taxi-brousse roa samy nivoaka ny làlana ary kodiaran-droa iray izay voafoaka no hita maso teo an-toerana. Olona roa nitaingina moto no namoy ny ainy ary nofonosan’ny olona lamba teo amin’ny sisin-dàlana. Raha ny tombana dia nisongona ny fiara iray fitateram-bahoaka izay nianatsimo ary nifatratra tany amin’ny moto nandeha tamin’ny làlana mizotra mianatsimo. « Nikasa hisongona taxi-brousse hafa ilay an’ny koperativa Kofitam kanefa tsy nijery tsara sy nampihatra ny fepetra tokony hisongonana. Nifampikatroka ny fiara sy ny moto. Nipitika niverina ny moto voadona. Nikatroka tamin’ny fitaratry ny fiara izay nanaraka azy avy aoriana (taxi-brousse koa)ireo mpitaingina moto roalahy, izay vao nipitika teny amin’ny sisin-dalana. Maty tsy tra-drano avy hatrany (36 taona sy 28 taona) » raha araka ny fanampi-panazavan’ny zandary Vakinankaratra. Tonga teny an-toerana ny zandary ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Nentina teny amin’ny biraon’izy ireo ny mpamily tsirairay avy ireo fiara roa avy amin’ny koperativa roa samihafa. Ny mpandeha kosa dia nalefa tamin’ny fiara hafa. Isan’ny ampahan-dàlana vao vita ny mandalo eo Antsahalava ka hatrany Ambatolampy raha mizotra amin’ny lalam-pirenena fahafito. Vao tsy vita hatramin’ny farany akory na notokanana dia efa miseho sahady ny lozam-pifamoivoizana noho ny tsy fitandreman’ny sasany. Dia hoavy indray ny fanasiana dongona (casseur de vitesse) ary vao mainka hitera-doza raha tsy ampy ny marika famantarana. Dia toa izany hatrany ny fiainana eny amin’ny lalam-pirenena. Dikany, ireo mpampiasa azy no mila mitandrina voalohany ary torak’izay koa, tokony hasiana fepetra hentitra ny momba ny « permis voron-tsiloza » satria mitera-doza tanteraka ho an’ny daholobe.
D.R




